Anio, 30-07-2010 l Laharana : 372
 
 
Vaovao misongadina (30-07-10)

Ambohimangakely : fanafihana

Nanohitra ilay vazaha ary nisy jiolahy iray voatifitra

 Image

Nipoaka ny basy teny Ambohimangakely! nisy nanafika mantsy tao amin'ny tranom-bazaha iray teny an-toerana ny alarobia lasa teo tokony ho tamin'ny 12 ora alina. Efa nanana ny paikadiny  ihany koa ilay vazaha ka nitifitra, ary voalaza fa nisy voa tamin'ireto jiolahy ireto. Araka ny fanazavana azo, dimy lahy nitondra basy kalach sy PA no nanafika ity trano iray ity. Teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo jiolahy no tsikaritry ny tompon-trano. Efa nitady fomba hiadiana ireto jiolahy ireto izy tamin'izany fa tsy hanaiky fotsiny. Voalaza fa manana fitaovam-piadiana ihany koa ilay vazaha ka nanao paikady amin'ny fanoherana an-dry zalahy. Nipoaka tokoa àry ny basy,  ka tamin'izany dia rafitra nandositra ireo jiolahy rehefa tsy nahaovoka ary izay sendra ny tanany no nalainy, izay tsy inona izany fa solosaina fitondra an-tanana. Tamin'ity tifitra nataon'ilay tompon-trano ity moa, dia voalaza fa nisy iray tamin'ireo jiolahy no voany saingy afa-nandositra ihany io ka tsy tratra. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny raharaha amin'izao fotoana izao. 
T.H

 
Vaovao misongadina (23-07-10)

Ambohitrimanjaka:

Enin-dahy nisaron-tava nanafika,
nafatony ny tompon-trano

 Image

Nanaram-po tamin'ny fandrobàna ny entana sarobidy tao an-trano ireo jiolahy.
Andian-jiolahy  miisa enina nirongo basy sy nisaron-tava nanafika tokantrano iray teny Antsahamarina- Ambohitrimanjaka omaly tokony ho tamin'ny 12 ora alina tany ho any.
Raha vao tafiditra tao amin'ilay tanàna ireo jiolahy dia nopoizininy avy hatrany ny alika roa teo an-tokontany ka maty. Rehefa izany, tonga dia novakian'izy ireo ny varavarankely nidirany tao an-trano. Mbola tao anatin'ny torimaso ny rehetra tamin'izany no taitra tampoka nahita ireo jiolahy niaraka tamin'ny basy. Tonga anefa dia basy no nirantiranty teo anoloan'izy ireo ka raiki-tahotra. Mbola nafatotr'ireo jiolahy ihany anefa ny tompon-trano mba tsy hisy ho afa-mihetsika ary notereny hamoaka ny vola. Lelavola Efatra alina Ariary no azon'izy ireo tao ka tsy afa-po tamin'izany ry zalahy fa noraofiny avokoa ny entana lafo vidy maro tao an-trano.

Karohina

Anisan'ny lasa tamin'izany ny firavaka volamena maro, fakan-tsary, DVD sy ny maro hafa. Rehefa nahazo izany izy ireo dia lasa nitsoaka nandositra avy hatrany. Ireo tompon-trano kosa niezaka namaha ny fatorany ary nampandre ny mpitandro ny filaminana. Nanomboka ny fikarohana ireo jiolahy saingy efa tsy nisy tratra intsony. Tsy nijanona hatreo anefa fa mbola mitohy hatrany ny fikarohana azy ireo amin'izao fotoana izao.
R.C

 
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Raokandro malagasy
Nampidirina ho isan'ny ...

.............................................
Atoa Jean Giuliano Nicol ...
“Tsy hanaiky mora foana aho...

Ankolafy telo...
Miandry ny fizotran’ny
..
............................................
Antsiranana ...
Ratsy fanombohana ny dinika...

Ny ba gasy sy hiran’ny omaly
Anio tolakandro etsy amin’ny ..

.............................................
« Dzaomalaza et le saphir ...
Nalefa voalohany omaly tets...

Fort-Duchesne
Trano telo kila tsy nisy ...

.............................................
Magro-Ankorondrano...
Enin-dahy tratra nangalatra ...

Kitra-Tompondakan'Analama..
Nivoaka nandresy ny Vesta ...

.............................................
Rugby – Tompondakan'...
Cosfa sa 3fb?...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2944241
visiteur