Valin-kafatra ho an’ny SEM Jean Marc Châtaigner“Ny Maputo sy Addis Abeba aza tsy nandramana nampiharina akory”Somary nampiaka-peo ihany ny Profesora Zafy Albert omaly raha nanontaniana ny heviny manokana momba ny lahateny nataon’ny Ambasadaoro Frantsay nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay tamin’ny 14 jolay tetsy Ivandry. “Miala tsiny raha hilaza sy manamafy fa “ny fifanarahana tany Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba aza tsy nandramana mihitsy ny fampiharana azy ka ahoana no ilazana fa tsy mahomby. Tonga dia notsipahina fotsiny tsotra izao. Taorian’ny fifampidinihina rehefa tafaverina eto an-tanindrazana dia miteny foana ny firehena Andry Rajoelin tsy tafavoak io” hoy ny Profesora. Nanindry mafy ity Filoha teo aloha ity fa “farafaharatsiny mba natsangana ilay governemanta nifanarahana araka ny fitsinjarana natao dia hita eo na mandeha na tsia. Tsy nisy anefa izany”, hoy izy. Voizin’ireo mpanohana ny fitondrana FAT ny vahaolana ady gasy. Tsotra ny navalin’ny Profesora. “Dinika ny samy Malagasy no nahazoana an’ireny fifanarahana ireny saingy teo ambany fanelanelanan’ny sehatra iraisam-pirenena fotsiny sy tany ivelany no natao”. Ny Tahiry R.
|