Raokandro malagasy nohatsarainaNampidirina ho isan'ny fanafody ampiasain'ny hôpitalim-bahoakaHovatsiana fanafody raokandro malagasy nohatsaraina vokarin'ny Homeopharma sy ny IMRA manomboka izao ireny tobim-pahasalamana sy hôpitalim-bahoaka ireny. Lasa ôfisialy amin'izay izao eto amintsika fa azo ampiasaina amin'ny fitsaboana koa ny raokandro malagasy nohatsaraina. Nampidirina ho isan'ny fanafody ampiasain'ny tobim-pahasalamana sy hôpitalim-bahoaka ireo fanafody nentim-paharazana nohatsaraina ireo, antsoina hoe « Remèdes Traditionnels Améliorés »(RTA). Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa mikasika izany vita sonia tamin'ny 29 jolay 2010 teo amin'ny Foibe famatsiana fanafody SALAMA, ny HOMEOPHARMA, ary ny IMRA (Institut Malgache de Recherches Appliquées). Nisy ny fivoriana fampahafantarana sy fandrindrana mikasika izany niarahan'ny telo tonta, natao omaly teny amin'ny CNEAGR (Centre National de l'Eau, de l'Assainissement et du Génie Rurale) eny Nanisana. Hovatsiana fanafody raokandro malagasy nohatsaraina vokarin'ny Homeopharma sy ny IMRA manomboka izao ireny tobim-pahasalamana sy hôpitalim-bahoaka ireny. Mirary Ny Foibe mpamatsy fanafody SALAMA no hanaparitaka ity fanafody malagasy nohatsaraina ity. Ny anton'ilay fifanarahana teo amin'ny telo tonta dia ahafahana manome fanafody tsara kalitao nefa amin'ny vidiny mora ho an'ireo marary. Fanafody vita avy amin'ny akora na ravinkazo avy eto an-toerana izy io ka samy mamokatra azy na ny Homeopharma, na ny IMRA. Efa misy fanafody mikasika izany ny karazan'aretina maro eto amintsika, toy ny gripa, kohaka, aretin-kibo...sns. Nandray anjara tamin'izao fivoriana izao ny Médecin Chef sady Talen'ny hôpitaly (Centres Hospitaliers) miisa roapolo. Hampahafantarina azy ireo ny fisian'ity RTA ity sy ny fomba fampiasana azy. Lucien
|