Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
Politika Version imprimable Suggérer par mail

Ankolafy telo

Miandry ny fizotran’ny fihaonambem-pirenena

Hita ho somary nangina na azo lazaina mihitsy aza fa tsy dia nisy zavatra nisongadina ny dian’Ing. Chissano farany teo. Tsy nisy afa-tsy ny  fandraisana sy fihainoana ny hevitr’ireo hery velona nihazakazaka nihaona taminy no nisy. Tsy nisy ny fampifanatrehana mivantana an’ireo tena mpifanandrina. Hatramin’ny androany dia hita ho mipetrapetraka ry zareo  ao amin’ny ankolafy telo. « Tsy mbola misy zavatra azo atao ao anatin’ny 48 ora » hoy Ing. Emmanuel Rakotovahiny.
 Aorian’ny fivorian'ny vondrona SADC amin’ny 18 aogositra indray vao ho fantatra ny mety ho tohiny. Ny hita anefa araka ny nambaran’Ing. Chissano talohan’ny nandehanany nody dia somary efa mirona betsaka any amin’ny fihaonambem-pirenena ny heviny. Etsy an-daniny anefa dia tsy mandray anjara amin’ny dinika santatra sy ny dinika rehetra mbola hatao ny ankolafy telo.  Ing. Emmanuel Rakotovahiny raha nanontaniana ny zavatra mety hataon’izy ireo amin’izao fotoana dia nilaza mazava fa  « tsy mbola misy zavatra hatao aloha izao. Ho hita eo izay fandehan’ny zavatra hataon’ireo fiarahamonim-pirenena fa raha tsy milamina io dia tsy maintsy hanao zavatra izahay. Marina fa efa nifanaraka ry zareo saingy andrasana izay tena fomba fiasany» hoy izy. 
Ny Tahiry R.

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229528
visiteur