Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
Politika Version imprimable Suggérer par mail

Antsiranana

Ratsy fanombohana ny dinika santatra 

Tsy araka ny fandinihan’ny besinimaro azy ny fanombohan’ny dinika teto Antsiranana omaly. Tsy niray tendro ny lehiben’ny faritra DIANA sy ireo mpikarakara. Teo amin’ny lohahevitra mahakasika ny hitantanana ny tetezamita no nampisalasala. Latsaka kely ny resabe ary niezaka nandresy lahatra ireo mpivory ny mpikarakara avy amin’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena. Tsikaritra tamin’ny fanombohana ho an’ny distrikan’Antsiranana I dia tsy nisy ny fiatrehan’ireo manampahefana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy na dia tsy anisany handray anjara amin’ny dinika aza izy ireo.

Tsy ampy 200 ny nandray anjara

Maro ny fanirian’ireo izay nikarakara nefa vitsy ny fikambanana namaly ny antso tamin’ny andro voalohany, iny omaly iny. Na dia vitsy aza ny mpandray anjara na dia teo aza ny tsy fitovian-kevitry ny mpitondra sy ny mpikarakara dia nizotra ihany izany ny tolakandro. Ny maraina dia efa nisy sahady ny fandraisana vaomiera izay nandinika ny lalam-pifidianana sy ny lalampanorenana, ny famotsoran-keloha, ny fitantanana ny tetezamita, ary ny mahakasika ny raharaha ara-tsosialy. Araka ny fanazavan’ny jeneraly Ackram Mohajy mpandrindram-paritry ny dinika santatra aty DIANA dia efa mazava ny lamina rehetra nanaovana ity atrikasa ity ary efa nankatoavin’ny fitondrana tetezamita avokoa ny lamina rehetra, ary ny fanjakana no namatsy vola ny dinika. Tsy misy hatahorana ary tsy manohitra ny tetezamita ny fiarahamonim-pirenena satria tsy manana fehinkevitra na manohana na iza na iza.

Ny tao amin’ny distrikan’ny Diégo II

Tamim-pilaminana no nizorany ary nizara vaomiera efatra ihany koa ny mpizaika. Ny maraina tokony ho tamin’ny folo ora dia olona 60 no nandray anjara amin’ny kaominina 21 misy ao amin’ity distrika ity. Tsy mahagaga izany satria lavitra ny toerana, ratsy ny lanana. Teo ihany koa ny fanaovana azy taty an-drenivohitra. Ny dinika nivoaka tao amin’ny vaomiera nandinika ny fitantanana ny tetezamita no nahatsapan'ny maro fa ireo mpikambana ao amin’ny HAT no tena manakana ny lalana izay andehanan’ny filohan’ny tetezamita.  Ho hita eo ny fehinkevitra avoakan’ny Diégo I sy Diégo II amin’ity dinika santatra ity.
V.JCL

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229471
visiteur