Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
Kolontsaina Version imprimable Suggérer par mail

Ny ba gasy sy hiran’ny omaly

Anio tolakandro etsy amin’ny Cemdelac 

 Etsy amin’ny Cemdelac (Galerie 6 taloha) Analakely indray no hotanterahina ny sehatra « ba gasy » andiany faha-6. Anio zoma manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ka hatramin’ny 7ora hariva no hifamotoana amin’ny fiangaliana ba gasy ny tomponandraikitra. « Ny ba gasy sy ny hiran’ny omaly » no omen’izy ireo sehatra anio tolakandro. Araka izany, dia ny sanganasan’ireo artista malaza tany amin’ny taona 60 tany ho any,  ary mbola tsy lany hamamiana hatramin’izao no hampiainan’izy ireo an-tsehatra amin’izany. Isan’ireny ny sanganasan-dry Ranaivo Ranarivelo, Barijaona, Naly Rakotofiringa, RR Majunga, Ramaroson Wilson, Andrianary CN, sy ny maro hafa. Vahiny manokana hitafatafa amin’ireo rehetra mamaly ny antso ao an-toerana i Franck, mpihiran’i RR Majunga fahiny. Tiana ny manamarika fa R’imbosa no tompomarika amin’ity fanandratana sy famelomana ny « sehatra ba gasy » ity.
Fy

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229345
visiteur