« Dzaomalaza et le saphir bleu »Nalefa voalohany omaly tetsy Analakely Masy lalaovin’i Onja Tinondia, Evah kosa ho an’Irina Raveloson, Revola velomin’i Ainasoa Synthia ary Dzaomalaza kosa ho an’i Michel Gormany. Ireo no mpilalao fofotra amin’ilay horonantsary novokarin’ny UNICEF miaraka amin’ny Digital Development Communication ao amin’i «Dzaomalaza et le saphir bleu» izay nalefa voalohany omaly tetsy amin’ny Foibe Ara-tsaina Albert Camus Analakely. Tohin’ilay horonantsary voalohany hoe «Dzaomalaza et le boutre brûlé » izy ity, saingy nolalaovina tany amin’ny faritra atsimon’ny nosy. Horonantsary mampahafantatra ny zava-misy any sy ny olana atrehin’ny tanora kanefa mampieritreritra azy amin’ny fomba hahombiazana eo amin’ny fiainana. «Fitaovana iray hanentanana ny tanora hahalala ny zony sy hitaky ny fampiharana izany ity horonantsary ity kanefa mitaona azy ireo ihany koa handray andraikitra eo amin’ny fiainana manoloana ny zavatra sarotra mahazo ny tanora ! » hoy indrindra Atoa Bruno Maes, masoivohon’ny UNICEF eto amintsika nandritra ny valandresaka tetsy Andraharo niarahana tamin’ireo artista nilalao ny tantara. FIFANAKALOZAN-KEVITRA Tany amin’ny tapany avaratry ny nosy no nolalaovina ny horonantsary voalohany «Dzaomalaza et le boutre brûlé» : mitantara ny fiainan’i Nirina sy Vola mpianatra ao amin’ny Lycée Nosy Be naniry hahazo finday avy amin’i Dzaomalaza izay mpanao raharaha maizimaizina izy io. Tsy ampoizina ny «vidin’ilay finday». Vehivavy telo – Masy, Evah, Revola – kosa no mandrirotra an’i Dzaomalaza ao amin’ny horonantsary «Dzaomalaza et le saphir bleu» mba ho tafita eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny safira. Araka ny fanazavana nomena omaly teny Andraharo, aorianan’ny fandefasana ny horonantsary dia hisy ny dinika fifanakalozan-kevitra eo amin’ny tanora. Kasaina halefa any amin’ireo faritra 22 amin’ny alalan’ny Alliance Française mantsy ny tantaran’i Dzaomalaza andiany faharoa ity. H.R.
|