Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
Zava-misy Version imprimable Suggérer par mail

Fort-Duchesne

Trano telo kila tsy nisy noraisina

Nisehoana haintrano teny Fort Duchesne omaly tokony ho tamin'ny 3 ora maraina, ka trano telo mifanila no rava tanteraka tsy nisy noraisina. Maty tao avokoa ny entana rehetra ka anisan'izany ny vata fampangatsiahana roa ary kiraro iray gony. Araka ny fanazavana azo, fivarotana ny roa tamin'ireo, dia gargoty sy fivarotana enta-madinika izany, ary trano fanamboarana kiraro kosa ny iray. Tsy fantatra mazava aloha izay anton'ny loza sy niatombohan'ny afo fa ny afo efa nijoalajoala no hitan'ny olona. Trano hazo ny roa tamin'ireo trano ireo, sady nandrivotra rahateo ny andro ka vetivety dia nahazo vahana ny afo ary nifindra tamin'ilay trano biriky teo akaikiny koa. Tsy misy mipetraka ao ny tompon'ireo trano ireo fa kosa mipetraka tsy lavitra eny amin'ny manodidina eny ihany. Na izany aza anefa dia fantatra fa misy lehilahy mpiambina anankitelo ireo trano ireo, araka ny fanazavan'ny teny an-toerana ihany. Nantsoina haingana ny sampana mpamonjy voina izay tonga vetivety. Afaka adiny iray nanaovana ny asany vao maty ny afo. Tsy nisy naratra na namoy aina tamin'ity haintrano ity.
T.H

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229799
visiteur