Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
Fanatanjahantena Version imprimable Suggérer par mail

Kitra-Tompondakan'Analamanga

Nivoaka nandresy ny Vesta Team sy Tfc

Raha nisaraka 2 noho 2 ny As St Michel sy ny Asut, dia tamin'ny isa 1 noho 0 avy kosa no nandavoan'ny Vesta Team Fc sy ny Tana Formation Fc ny ekipan'ny Iarivo Football Club sy ny FC Lazio, izay samy tsy nanaiky lembenana hatramin'ny farany teo anoloan'ny mpifanandrina tamin'izy ireo avy. Raha nifanenjehana hatrany ny isa teo amin'ny Masindahy sy ny Asut, dia nahay niaro ny tombon'isa azony kosa ny mpilalaon'i Mamihaga sy Pierrot / Franck. Teo amin'ny fizaram-potoana voalohany avokoa no nahatafidiran'ireo ekipa ireo ny baolina tokana azony,  raha i Fabrice no namono ny baolin'ny Vesta dia i Dafé kosa no nitokoan'ny Tana Fc. Teo amin'ny faha 28 mn sy 7 mn nilalaovana no nisian'ireo baolina maty ireo.  Tsy araka ny niheveran'ny mpanaraka kitra azy ny voka-dalao, omaly, tetsy amin'ny kianjan'Alarobia, nandritra ny andro faha-11 farany amin'ny fiadiana ny tompondakan'Analamanga, fa niady aok'izany ireo lalao rehetra natrehina teny an-toerana, Ny nampalahelo ny mpijery baolina fotsiny, dia ny tsy nahatanterahan'ny fihaonana teo amin'ny ekipan'ny Stade Olympique de l'Emyrne sy ny Cosfa, izay nivonon-kandresy ny Menavalahana kanefa tsy tonga teny an-kianja ny ankamaroan'ny mpilalaon'i Zakabe ka dia noresena ambony latabatra.
a.r

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229343
visiteur