Rugby – Tompondakan'Analamanga Cosfa sa 3fb? Miditra amin'ny andro faha-2 ny faran'ny herinandro izao ny fiadiana ny Tompondakan'Analamanga, eo amin'ny taranja Rugby. Isan'ny lalao tena andrasan'ny maro mandritra izany ny fihaonana eo amin'ny 3fb sy ny Cosfa, izay azo antoka fa hiady. Tsiahivina fa samy nivoaka ho mpandresy avokoa izy ireto tamin'ny andro voalohany, ka ny 3fb dia nanamontsana an'i Tfa tamin'ny isa mazava 37 noho 11, ankilany kosa dia lavon'ny Miaramila tamin'ny isa 13 noho 6 ny ekipan'ny 3fai. Ny ekipan'ny Cosfa moa no Tompon'ny anaram-boninahitra farany, ka inoana fa hiezaka hitazona izany izy ireo amin'ity fihaonana ity. Inoana koa anefa fa tsy hanaiky mora izany ny ekipan'i Solofo be, izay manana ireo mpilalao sangany (Tolotra, José, Alain, Rija sns...) maro ao anatiny. Toy izao no fandaharan-dalao rehetra: (Junior) ANS Ampefiloha sabotsy 31 jolay: 12 ora: Usa # Tam, 1ora 40 mn: Usi # Fbm, 3 ora 20 mn: Cpi # Cosfa, Alahady 1 aogositra: 10 ora 10 mn: 3fai # Jca, 12 ora: Tfa # 3fb, 1ora 40 mn: Irc # Uasc, 3 ora 20 mn: Ftm1 # Ftm2 . (D1 Elite 1): Sabotsy 31 jolay: kianja Mahamasina: 12 ora: Irc # Cpi, 1ora 40 mn: Tfma # Ftm2, 3 ora 20 mn: Tam # Uasc. Alahady 1 aogositra: Malacam: 10 ora: Usi # Fbm, 12 ora: Usa # Jca, 1ora 40 mn:Ftm1 # 3fai, 3 ora 30 mn: Cosfa # 3fb. Rabenaivo
|