Handeha ve ilay fika ? Niainga io izany ny « dinika santatra » izay tari-dalana amin’ny fikaonandoham-pirenena kasaina hotanterahina atsy ho atsy. Hita ho vitsy tokoa ny mpandray anjara raha teto an-dRenivohitra fa ny tany amin’ny faritra hafa kosa no bebe ihany. Asa, nangatsiaka toy ny andro ve ny teto Antananarivo sa tsy mivaky loha amin’iny raharaha iny ? Sarotra ny hanome valiny hentitra amin’izay fa ny azo marihina aloha dia ireny nanao fanambarana ireny ireo mpitarika ny ankolafy telo fa tsy marisika amin’izy io koa dia heverina fa nanaraka an’izay ireo mpomba azy. Tany amin’ny faritra sasany kosa dia voamarika fa nisy fikambanana sy antoko nanana solontena telo na mihoatra an’izany aza ; dia izay angaha no naha-maromaro ny mpandray anjara. Na toa inona na toa inona anefa aloha dia tsy any loatra ny olana, raha ny marina. Ny tena zava-dehibe dia hoe : hanana ny lanja tokony hananany eo imason’ny fianakaviambem-pirenena ve izao fikaonandoha tanterahintsika eto izao ? Miankina amin’izay ny hankatoavany na tsia izay fifidianana hatao eo ary hanohanany na tsia izay fitondrana hitsangana aorian’izany. Tsara marihina fa azon’ny F.A.T. natao ny nikarakara fifidianana avy hatrany, ary izay mihitsy aza no tiany, saingy raha miditra amin’izay lalana izay izy dia hitoka-monina eto. Koa izao fiantsoana ny rehetra hiara-mikaondoha izao dia mba hahazoany mampiseho fa tsy mitondra baolina irery, araka izay ambara ombieny ombieny, izy fa mampandray anjara ny rehetra (izay no nahatonga ireo Raiamandreny mijoro niezaka mafy nandresy lahatra ny ankolafy telo hiditra ao). Amin’izay izany dia mba hahazo fankatoavan’ny fianakaviambem-pirenena izay fifidianana hatao eo sy ny fitondrana haterak’izay ka dia mba hiverina indray ny famatsiam-bola avy any ivelany. Izay no tena fototr’io rehetra io fa resaka fotsiny ny ambiny. Ka handeha ve izay fikan’ny F.A.T. izay ? (miala tsiny amin’ny fampiasana ny tenin-jatovo hoe « fika » fa io no mety hahazoan’ny maro ny tian-kambara kokoa noho ny hoe « paika »). Hiaraha-mahita eo. Rafidy
|