Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
Samy isika Version imprimable Suggérer par mail

Karama !

 Asa moa raha fifanandrifian-javatra na tsia fa ankoatra ny toe-draharaha pôlitika, resaka isika samy isika ihany, malaza indray izao ny resaka karama. Na izany eo amin’ny mpitondra ankehitriny na izany eo anivon’ny mpiasa. Indrindra indrindra ny mpiasam-panjakana. Nanapa-kevitra ny filankevitry ny minisitra  nivory tamin’ny alarobia lasa teo fa hampihena ny vola karaman’ireo masoivohontsika  miasa any ivelany andaniny, ary ankilany hampiakatra 25 isanjato ny an’ireo miasa amin’ny Chancellerie any ivelany. Raha izay ny eo anivon’ny fanjakana, efa ho herinandro vitsivitsy kosa no mifanatona sy mifampidinika ary mitaky ny hampitoviana ny mari-karama ireo mpiasam-panjakana  anatin’ny sendika sy fikambanana samihafa. Efa mandehandeha any ny tolo-kevitr’ireto mpiasam-panjakana ireto amin’izany fampitoviana ny mari-karama izany ka mikasa ny hampahafantatra ny rehetra izany izy ireo amin’izao herinandro voalohany amin’ity volana aogositra ity. Eo am-piandrasana izany, ahazoana sary an-tsaina ny toetoetry ny karama eo amin’ny asam-panjakana ireo endri-javatra roa ireo. Miainga amin’ny toe-javatra mitranga eny Ankatso - na io mahakasika ny mpandraharaha na io mahakasika ny mpampianatra eny Vontovorona -  manao ahoana tokoa va re ny kitapom-bolam-panjakana ankehitriny ? Tsy eo amin’ny fandoavana karama ihany fa eo amin’ny fampandehanan-draharaha indrindra ihany koa. Samy isika ihany !
Herivonjy
RAJAONAH

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229521
visiteur