|
Vaovao misongadina (30-07-10) |
|
|
Ambohimangakely : fanafihana Nanohitra ilay vazaha ary nisy jiolahy iray voatifitra  Nipoaka ny basy teny Ambohimangakely! nisy nanafika mantsy tao amin'ny tranom-bazaha iray teny an-toerana ny alarobia lasa teo tokony ho tamin'ny 12 ora alina. Efa nanana ny paikadiny ihany koa ilay vazaha ka nitifitra, ary voalaza fa nisy voa tamin'ireto jiolahy ireto. Araka ny fanazavana azo, dimy lahy nitondra basy kalach sy PA no nanafika ity trano iray ity. Teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo jiolahy no tsikaritry ny tompon-trano. Efa nitady fomba hiadiana ireto jiolahy ireto izy tamin'izany fa tsy hanaiky fotsiny. Voalaza fa manana fitaovam-piadiana ihany koa ilay vazaha ka nanao paikady amin'ny fanoherana an-dry zalahy. Nipoaka tokoa àry ny basy, ka tamin'izany dia rafitra nandositra ireo jiolahy rehefa tsy nahaovoka ary izay sendra ny tanany no nalainy, izay tsy inona izany fa solosaina fitondra an-tanana. Tamin'ity tifitra nataon'ilay tompon-trano ity moa, dia voalaza fa nisy iray tamin'ireo jiolahy no voany saingy afa-nandositra ihany io ka tsy tratra. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny raharaha amin'izao fotoana izao. T.H
|