Anio, 10-09-2010 l Laharana : 3765
 
 
Iza moa i Gazetiko? Version imprimable Suggérer par mail

        Ny faha-7 avrily 1998 no andro nahitany masoandro ary nandraisan’ny mpamaky azy voalohany. Raha ampitahaina amin’ny fiainan’olombelona dia azo lazaina ho mbola zaza ihany izy amin’ny taonany kanefa na izany aza dia tsy tantanana intsony fa efa mahalia lalana. Efa tena mandeha tsara tokoa aza i Gazetiko fa raha tany amin’ny 4000 / 5000 no isan’ny natonta teo am-piandohany dia efa any amin’ny 55000 / 60000 ankehitriny. Ary dia izy izao no lohalaharana amin’ny gazety rehetra eto Madagasikara, raha ny isan’ny lafo isan’andro. Izay no nanaovana ilay teny filamatra hoe: “Gazetiko, voalohan-tsafidin’ny mpamaky”           

Ny mampiavaka an’i Gazetiko dia izy amin’ny teny malagasy ranoiray.Eo aloha ny fanomezan-kasina ny tenin-drazana fa eo indrindra koa ny fitsinjovana ny sarambabem-bahoaka izay nangetaheta ny isian’ny gazety amin’ny teny malagasy (efa zary teny faran’ny tsy hay ny teny frantsay ho an’ny maro). Teo amin’iny taona 90 iny tokoa mantsy dia efa tsy nahitana gazety toy izany intsony. Koa dia nameno ny banga teo amin’ny tontolon’ny fampahalalam-baovao izany ny fivoahan’i Gazetiko. Hafa noho ireo zokiny anefa izy na izany aza. Ny azy dia ny hampahalala vaovao ihany no tarigetrany fa tsy ny hivoy fanehoan-kevitra toy izao sy toy izatsy araka izay nahazatra ny gazety amin’ny teny malagasy hatramin’izay. Koa amin’izany dia tsy mirona ho amin’ny ankavia na amin’ny ankavanana izy fa mizotra mahitsy hatrany eo am-panehoana ny zavamisy. Ary ezahany tazonina mandrakariva izay lalan-tsaina izay.  

 
< Précédent
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Zotra 119
Mitentina Ar 1 miliara 500 ...

.............................................
Fitsaboana
Mety ho fanafody mahery ...

Mandritra ilay fihaonambem-
Hanao famoriam-bahoaka ...
............................................
Fihaonambem-pirenena...
Ho voatana amin’ny 17 ...

Toto Mwandjani sy Tirike
Miara-mitety faritra any ...

.............................................
Vonjy Razafitsifa
Hanao « Vaky bantsilana » ...

Manjakaray
Trano 7 nirehitra...

.............................................
Disadisam-piarahamonina
Novonoina ho faty ilay ...

Tsipy kanetibe –
Handray anjara avokoa ireo ...

.............................................
Orinasa Naoxime...
Nomeny hasina ny « Journalist

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3242026
visiteur