|
Gazetim-baovao ny Gazetiko. Amin’ny maha-fitaovan-tserasera azy andaniny ary ankilany amin’ny fitaovam-panabeazana azy, hanolotra anao isan’andro izay mitranga eto amin’ny tany sy ny firenena ny Gazetiko. Tsy hianona fotsiny amin’ny fitaterana ny zava-misy izy fa hiroso lalina amin’ny fanadihadiana. Dia ny fanadihadiana ireo tranga mahakasika ny rehetra eo amin’ny fiainana andavanandro. Gazetim-baovao mahaliana ihany koa anefa ny Gazetiko. Raha iombonan’ny mpampahalala vaovao rehetra ny fitaterana ny zava-misy, hanatombo kosa izay atolotry ny Gazetiko anao satria hanome lanja manokana ireo vaovao mahaliana izy. Dia ireo tranga tsy fahita andavanandro mahavariana eny mety hahatsikaiky ary koa mampieritreritra. Gazety mikajy ny teny malagasy. Satria amin’ny teny malagasy manontolo ireo lahatsoratra ao anatin’ny Gazetiko, tsy vitan’ny hoe mitodika amin’ny olona rehetra izy fa mitondra ny anjara birikiny ihany koa eo amin’ny fikajiana ny tenin-drazana. Dia ny Teny Malagasy. Natao ho an’ny Malagasy rehetra mantsy ny Gazetiko.
|