Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Edgar Razafindravahy no PDS
Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra omaly dia Atoa Edgar Marie Noë Razafindravahy, Filoha tale jeneralin’ny Groupe Prey no voatendry ho Filohan’ny Delegasiona manokana (PDS) an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). 48 taona ny lehilahy, manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny matematika sy fizika sy amin’ny lafin’ny varotra. Izy no handimby an-dRtoa Michèle Ratsivalaka izay voatendry hisahana andraikitra sosialy ao amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita. Mpandraharaha ara-toe-karena ity PDS vaovao ity ary efa mpanolotsain’ny tanàna teny Ambohimalaza Miray, nandritra ny 8 taona Etsy ankilan’izany omaly ny Mpanolontsaina monisipalin’ny CUA dia namarana ny fivoriana tsy ara-potoana izay nanombanana ny fanesorana an-dRtoa Michèle Ratsivalaka. Nomarihin’ny Filohany, Serge Ranaivo, fa vonona hiara-hiasa foana ny mpanolotsaina rehefa ho amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Na iza na iza ho voatendry ho PDS eo, dia mipetraka ho arofanina hatrany ny Mpanolontsaina. Tsy resaka olona no jerena ary tsy afaka hialokaloka ambanin’Atoa Andry Rajoelina, fa rehefa misy tsy mety atao dia avy foana ry zareo amin’ny angady sy ny harona, araka ny fampitandremany. Jocelyne Randrianary sy V.R.
|