Antsirabe : Jiolahy nanafika Olona 2 naratra, najifa ny vola 6 tapitrisa Ar. sy ny firavaka
Nisehoana fanafihan-jiolahy ihany koa tany Ambano- Antsirabe II ny Alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny misasakalina tany ho any. Tokantranona mpanankerana telo tao an-toerana no voalaza fa nasesin’ireo jiolahy mitam-basy nidirana an-keriny. Raha vao tafiditra tao an-trano izy ireo dia norahonany avy hatrany ny tompon-trano mba tsy hisy hanao fihetsika mahery. Asa anefa na nikasa hanohitra ny sasany nandritra izany fa nidaroka ireo jiolahy ka olona roa no fantatra fa naratra vokatr’izany. Rehefa izany dia nasain’ireo jiolahy navoaka ny vola ka lelavola mitentina 6 tapitrisa Ariary no lasa tamin’ireo trano telo notafihiny niaraka tamin’ny firavaka volamena maromaro sy ny telefaona. Tsy tratra Tsy nisy afaka nanao na inona na inoana ny tompon-trano teo anatrehan’izany fa dia nijery fotsiny izay nataon-dry zalahy. Raha vao azon’izy ireo izay notadiaviny dia nitsoaka nandositra avy hatrany ry zalahy. Niezaka nampandre ny mpitandro ny filaminana haingana kosa ireo voatafika taorian’izany saingy efa tsy tratra intsony ireo jiolahy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary tao an-toerana. Tetsy andaniny dia novonjena nentina tany amin’ny hopitaly ireo olona roa naratra. Mitohy hatrany moa ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana ireo jiolahy amin’izao fotoana izao. R.C
|