Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
zava-misy Version imprimable Suggérer par mail

Ankazomiriotra

Grenady hitan’ny mpandroaka sarety nipoaka, olona 2 maty, 11 naratra

Nisy niseho ho mahitahita ka nikitika ilay grenady kanjo nipoaka tampoka teny an-tanany.
Raha iny teo am-pandroahana ombin-tsarety iny ity rangahy iray, omaly vao maraina, no nahatsikaritra zavatra boribory teo amoron-dalana, tokony ho 2 km tsy hiditra ny renivohitry ny kaominina Ankazomiriotra-Mandoto. Nanaitra azy ilay izy ka noraisiny. Tsy naharitra izy fa nentiny tany an-tsena ary nasehony ireo namany sy ny mpiantsena noho ny tsy fahafantarany. Nitangorona avy hatrany ny olona nijery ity zavatra tsy mbola fahitany. Tamin’izany indrindra anefa no nisy niseho ho nahafantatra ka nikitikitika ilay izy kanjo nirefotra tampoka ilay grenady. Vokany, olona roa no maty tsy trà-drano nipoahany ary iraika ambinifolo hafa kosa naratra ka nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly. Nisahotaka ny iray tanàna teo anatrehan’ity trangan-javatra ity ka nampandrenesina haingana ny mpitandro ny filaminana.

Miparitaka

Amin’izao fotoana izao dia efa eo am-panaovana ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny mpitandro ny filaminana ny amin’ny mety ho fiavian’ilay grenady. Somary nanaitra ihany mantsy ny fahitàna an’io fitaovam-piadiana io tany amin’ny toerana ambanivohitra lavitra toy itony. Raha izao no jerena dia hita fa tena miparitaka tokoa ny fitaovam-piadiana. Manoloana izany dia manentana ny rehetra ny Zandarimariam-pirenena mba hampandre haingana ny Tobin’ny mpitandro ny filaminana akaiky azy sy hanome vaovao, raha vao misy zavatra mampiahiahy toy itony mba hisorohana ny loza.
R.C

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229839
visiteur