Angaredona Ao amin’ny CCAC anio Milona tanteraka ao anatin’ny festival Angaredona isika amin’izao fotoana izao. Raha ny omaly, dia tao amin’ny CGM Analakely ny fampisehoana maimaimpoana. Tarika telo no nifandimby niaka-tsehatra tao an-toerana dia i Arembelo, Rola Gamana ary Jovin. Anio alina kosa dia eny amin’ny CCAC ny fotoana ho an’ireo mpankafy sy mpanaraka ny Angaredona. Tarika efatra no handray anjara amin’izany dia ny Marovany trio Band (7 ora -7ora25”); Miminy (7ora25” -8 ora 30”), Name Six (8ora30”-9ora15”) ary hamarana azy kosa ry Tinondia. Ho an’ireo mpitety faritra indray dia eny amin’ny kianjan’Anosizato Atsinanana ny fampisehoana maimaimpoana. Marihina fa tsy misy vidim-pidirana avokoa ny fampisehoana amin’ny Angaredona. Fy
|