Anio, 10-09-2010 l Laharana : 3765
 
 
samihafa Version imprimable Suggérer par mail

Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy


Mbola miasa ny 80%-n’ireo ankizy gasy


Raha nandray fitenenana ireo ankizy nandritra ny fanokafana ny fankalazana maneran-tany ny faha 20 taonan’ny zon’ny ankizy dia nilaza fa mbola misy 80% ireo zaza eo anelanelan’ny 5 hatramin’ny 17 taona miasa eto Madagasikara. Ary maherin’ny 820 tapitrisa kosa ireo zaza mbola tsy miditra an-tsekoly maneran-tany. Nampahafantarina nandritra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy omaly fa na dia efa betsaka aza ireo ezaka efa natao hiarovana ny zon’ny ankizy dia mbola misy ireo zo tsy voahaja. Anisan’izany ny zo tokony hianatra, ny milalao, ary ny ho tsaboina... Raha ny fanambaran’ny TAIZA, fikambanana miahy ankizy, dia nanomboka ny janoary hatramin’ny novambra 2009 dia nisy 219 ireo zaza voaolana, ary 292 ireo niharan’ny herisetra ara-batana. Manantena ny fandraisana andraikitry ny tsirairay hiarovana ny zon’ny ankizy ny Plate Forme sy ny Unicef izay samy manao hetsika amin’izao fankalazana ny faha 20 taona niarovana ny zon’ny ankizy izao. Ho an’ny Unicef dia hitohy hatramin’ny 18 desambra ny fankalazana amin’ny fampirantiana ireo sarin’ankizy.
Nath

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Zotra 119
Mitentina Ar 1 miliara 500 ...

.............................................
Fitsaboana
Mety ho fanafody mahery ...

Mandritra ilay fihaonambem-
Hanao famoriam-bahoaka ...
............................................
Fihaonambem-pirenena...
Ho voatana amin’ny 17 ...

Toto Mwandjani sy Tirike
Miara-mitety faritra any ...

.............................................
Vonjy Razafitsifa
Hanao « Vaky bantsilana » ...

Manjakaray
Trano 7 nirehitra...

.............................................
Disadisam-piarahamonina
Novonoina ho faty ilay ...

Tsipy kanetibe –
Handray anjara avokoa ireo ...

.............................................
Orinasa Naoxime...
Nomeny hasina ny « Journalist

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3242589
visiteur