Antsirabe "...TSABO...": Sanganasa vaovaon'i MBOUTAH
Raha ny taona 2006 no nivoahan'ny rakikira voalohany nitondra ny anarana "Raomily" izay novokarin'ny tarika Mboutah avy ao Antsirabe, dia tamin'ity faramparan'ny taona 2009 ity indray no nahavitana ny rakikira faharoa izay nampisalorana ny anarana hoe "...TSABO...". Ahitana hira miisa fito ao anatin'ity Vcd faharoa ity izay mbola nitazonan'ny tarika ny gadona mampiavaka azy dia ny fampifangaroana ny gadona malagasy amin'ny fitendry hafa. « Forazaza », « Levaly », « Malaso », santionany amin'ireo hira hita ao anatin'ity Vcd ity. Mampiavaka ity sanganasa ity ny fisian'ny Akapela iray mitondra ny lohateny hoe « vonjeo ». Ny sabotsy 21 novambra izao no hanatanterahana ny seho tokana hampahafantarana ity vokatra vaovao ity any amin'ny Alliance Franco-Malagasy any Antsirabe manomboka amin'ny fito ora hariva. Hasehon'ny tarika mandritra io fotoana io ihany koa ireo hirany hatramin'izay izay efa mahatratra 30 ankehitriny. Lova (Antsirabe)
|