Norah Harakitra an-kapila ny fitetezam-paritra
”Sambatra”, ”Sans toi”, ”Anao raiky tiako”. Ireo no hira tena ahafantaran’ny maro an’i Norah, mpanjakavavin’ny mozika mafana eto amintsika. Folo volana teo ho eo no nivoahan’ny kapilany voalohany nitondra ny lohateny hoe ”Anao raiky tiako”, dia raikitra ny fitetezam-paritra. Nitety ny faritra avaratry ny Nosy nandritra ny roa volana teo ho eo izy ireo. Sofia sy Diana no vitan’izy ireo tamin’izany, ka azo ambara fa fahombiazana ny diany. Nosy be, Ambilobe, Mandritsara, Antsohihy, Bealanana, miampy ireo faritra madinidinika no voatetin-dry Norah tamin’izany. Nambaran’ny mpiahy ny tarika fa harakitra anaty kapila io fitetezam-paritra io, miampy ireo rindran-tsary vaovaon’ny tarika miisa efatra. ”Norah tours” no lohateniny ary mialohan’ny faran’ny taona dia hivoaka ny vokatra. Araka ny fanazavany, dia fampisehoana miaraka amin’ny moraingy no tanterahiny any amin’ny faritra ambanivohitra any amin’ny folakandro, fa alim-pandihizana kosa ny alina. Efa talentan’ity andriambavilanitr’i Sofia ity rahateo ny manafana fety aman-danonana satria vao 5 taona monja izy dia efa nihira. Nanomboka ny taona 2003 izy no niaraka tamin’ny tarika maro samihafa, ka isan’izany Zandry Kaja tamin’ilay hira ”Rozia”. Ny taona 2007 izy no nanapa-kevitra ny handeha irery, ka ny volana desambra 2009 teo no nivoaka ny voaloham-bokatra. Andrasana kosa ny fiakaran’i Norah ny kianja eto an-dRenivohitra. Fy
|