Mondial 2010 Tsy averina intsony France sy Irlande
Nanapa-kevitra ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa) fa tsy averina intsony ny fihaonana eo amin’i France sy Irlande. Ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitsara lalao dia tsy azo ivalozana intsony. Araka izany dia notanana ny fandresen’ny Akoholahy, rehefa nisaraka 1 no ho 1 ny ekipa roa tonta tany amin’ny Stade de France (1 no ho 0 tamin’ny lalao mandroso), ary anisan’ireo ekipa farany nanao « match de barrages », hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany atsy Afrika Atsimo i France, ary dia raraka tanteraka izany ny Irlandey. Marihina fa lasa raharaham-pirenena mihitsy iny baolina noraisin’i Thierry Henry tanana iny, ka nitaona ny sain’ny filankevi-pitantanan’ny Fifa ny Praiminisitra irlandey hamerina ny lalao. Niteraka resabe tamin’ny fampahalalam-baovao eran-tany iny fihaonana iny, ary samy nanana ny heviny ny mpitia kitra. a.r
|