Anio, 10-09-2010 l Laharana : 3765
 
 
politika Version imprimable Suggérer par mail

Tsielatsiela


#Nahazo fahafahana vonjimaika Ing. Raharinaivo Andrianantoandro,  araka ny taratasy n°2178.MJ/MC/ANT/GI/LIB/09. Tsy afa-po ity farany satria ireo gadra politika niara-nandray anjara taminy, izay nogadrain’ny fitondrana FAT, dia tsy mbola nisy nivoaka. Mitaky ny hamoahana ireto farany ny tenany ary mbola hanohy ny fifadian-kanina mandra-pivoakan’ireo namany any Tsiafahy sy eny Antanimora. Tsahivina fa niditra an-tsehatra tamin’ny famoahana ity mpitondra tenin’ny antoko TIM mihitsy ny Praminisitra Mangalaza Eugène sy ny Filoha mpiara-mitantana Fetison Andrianirina, rehefa nitokona tsy nihinan-kanina ity farany mba ho fitakiana amin’ny famoahana azy. Niantso ny mpitantana ny tetezamita izy fa “ny fifandeferana no tokony hampanjakaina mba hisian’ny fitoniana sy antoky ny asa mirindra”.
#Tonga nitsidika ny Praiminisitra omaly teny amin'ny trano fiasany eny Mahazoarivo, ny Masoivohon'i Alemana. Nanambaran’ity farany tamin’izany fa vonona hanampy ny firenena malagasy ny Vondrona Eorôpeanina amin'ny famatsiam-bola saingy mametraka fepetra kosa. Fantatra tamin'izany fa takian'izy ireo ny fiverenana amin'ny araka ny Lalàmpanorenana sy ny fametrahana governemanta itambaran'ny rehetra avy amin'ny ankolafy 4, izay nifanaraka tany Maputo sy Addis-Abeba.
niry ramanitra/Ny Tahiry R.

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Zotra 119
Mitentina Ar 1 miliara 500 ...

.............................................
Fitsaboana
Mety ho fanafody mahery ...

Mandritra ilay fihaonambem-
Hanao famoriam-bahoaka ...
............................................
Fihaonambem-pirenena...
Ho voatana amin’ny 17 ...

Toto Mwandjani sy Tirike
Miara-mitety faritra any ...

.............................................
Vonjy Razafitsifa
Hanao « Vaky bantsilana » ...

Manjakaray
Trano 7 nirehitra...

.............................................
Disadisam-piarahamonina
Novonoina ho faty ilay ...

Tsipy kanetibe –
Handray anjara avokoa ireo ...

.............................................
Orinasa Naoxime...
Nomeny hasina ny « Journalist

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3241297
visiteur