Vehivavy lasa adala niverina avy any Liban Notorian’ny ray aman-dreniny ilay “agence” nandefa azy
Vehivavy iray 29 taona lasa tsy salama saina rehefa niverina taty an-tanindrazana ny 21 oktobra lasa teo avy niasa tany Liban. Asa izay tena zava- niseho fa notorian'ny ray aman-drenin'ilay vehivavy ny “agence” nandefa azy tany Liban ary niakatra fampanoavana omaly ny raharaha. Araka ny vaovao voaray, sivy volana no niasan’ity vehivavy ity tany Liban raha niala teto izy ny 04 febroary teo. Tamin’io fiverenany io dia vola 9 dolara no teny aminy, ny akanjo izay efa nentiny avy aty, niaraka tamin’ny pasipaoro sy ny “billet d’avion nodiany ary hita ho tsy salama saina, hoy ny ray aman-dreniny. Nakan’izy ireo dokotera mpitsabo adala ihany io zanany io saingy rehefa hita fa nihanarary dia tsy maintsy naiditra teny Anjanamasina taorian'izay. Marihina fa efa niteraka roa ity vehivavy niasa tany Liban ity talohan’ny nandehanany tany. T.H
|