Anio, 10-09-2010 l Laharana : 3765
 
 
Tantara Version imprimable Suggérer par mail

Tovovavy mahantra

Tantara nosoratan’i RAKOTONINDRINA Désiré
(Ny Harambatosoa)

-Tsy fantatro ry Sendra fa i Vola anabavin'i Benja anie ka voarohirohy miaraka aminy any koa fa toa hoe nangataka vola tamin'ny reniny ka rehefa tsy nahazo dia notsindrominy tamin'ny antsy ny reniny, hoy ihany i Diamondra.
 -Ditra fa tsy fananana, fa raha ny amiko tovovavy mahantra dia tsy hahavita izany mangalatra sy mamono olona izany.
 -Ataoko tsy vita mora kosa aloha raha ny amin'i Benja no ho jerena satria efa vonona ny hanaratsy fihavanana ihany izy ireo matoa namono nahafaty an'i Raobina, hoy i Diamondra.
 -Hetraketraky ny rendrarendram-piainana ny azy tompoko fa tsy mba solafaky ny fahantrana.
 -Harena ny fahaiza-mitondratena ry Sendra, harena tsy mba hananan'ny olona, izaho izao hitanao izao dia kamboty mbola kely toa anao tovovavy mahantra tamin'izany andro sy fotoana izany. Tovovavy mahantra satria karama manasa lamban'olona, mitaon-jezika, nefa tsy nangalatra.
 -Tovovavy mahantra izay nitaraina taminareo aho, nefa tsoriko fa ampy ahy ny fitondran-tenako madio, vao tapitra ny tenin'i Sendra dia nangovitra izy, minitra vitsy dia namoy ny aina, maty ilay tovovavy mahantra. Maty teo ampamitana ny asany i Sendra dia ilay kamboty, inona no aretina nangeja azy ? noho ny fahantrana ve ? Tsia, hoy aho aminao mamaky ny tantaran'ilay tovovavy mahantra, tapaka lalan-drà i Sendra, ary tsy voavonjy intsony. Nikiaka nitomany ny zanak'i Diamondra. Indro kosa i Diamondra nihakohoka teo amin'ny nofo mangatsiakan'ilay… TOVOVAVY MAHANTRA.

Tantara diam-penin'i Ny Harambatosoa
 2 oktobra 2001
Lasa nody ilay mahantra
Lasa nody fa voantso
Ho any amparadisa an-tany
Dia ny fo torotoro hotohoto sy maratra

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Zotra 119
Mitentina Ar 1 miliara 500 ...

.............................................
Fitsaboana
Mety ho fanafody mahery ...

Mandritra ilay fihaonambem-
Hanao famoriam-bahoaka ...
............................................
Fihaonambem-pirenena...
Ho voatana amin’ny 17 ...

Toto Mwandjani sy Tirike
Miara-mitety faritra any ...

.............................................
Vonjy Razafitsifa
Hanao « Vaky bantsilana » ...

Manjakaray
Trano 7 nirehitra...

.............................................
Disadisam-piarahamonina
Novonoina ho faty ilay ...

Tsipy kanetibe –
Handray anjara avokoa ireo ...

.............................................
Orinasa Naoxime...
Nomeny hasina ny « Journalist

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3241794
visiteur