Anio, 09-02-2010 l Laharana : 3588
 
 
vaovao misongadina 18-02-08 Version imprimable Suggérer par mail

Vokatry ny rivo-doza Ivan

Olona 9 nianjeran’ny trano, an-jatony ny traboina

ImageNamela takaitra ihany koa ny rivo-doza Ivan tany amin’iny faritra atsinanan’ny nosy iny. Araka ny vaovao re tao amin’ny radiom-pirenena omaly tolakandro dia nisy hotely iray nianjera tany Sainte Marie ka olona sivy no voatsindry tao. Niezaka nanontany ny tany an-toerana ihany moa izahay kanefa mananosarotra ny fifandraisana ka tsy nisy ny fanampim-baovao voaray mikasika ity loza ity. Tsy mbola misy ihany koa ny tarehimarika voaray mikasika ny fahasimbana rehetra naterak’ity rivo-doza ity satria mbola teo am-panangonana ny tatitra rehetra mikasika izany ny tomponandraikitra. Niakatra avokoa ny renirano tany amin’ireo toerana nandalovan’ity rivo-doza ity toa an’i Mananara, Marolambo, Brickaville; nahatratra an-jatony ireo olona voatery nandao ny fonenany ka dia zary tsy manan-kialofana, ary nanano sarotra ny famatsiana noho ny fahatapahan’ny lalana.
Raha ny teto amin’ny faritry ny renivohitra no hasian-teny dia nijojo ny orana omaly tontolo. Niakatra avokoa ny rano tamin’ny faritra maro. Raha nanontany ny teny amin’ny sampana mpamonjy voina izahay dia tsy nisy loatra ny fiantraikan’ity rivo-doza ity teto an-drenivohitra. Hatramin’ny fotoana anoratanay dia mbola tsy nisy ny trano na hazo nianjera na koa loza hafa teo anivon’ity sampana ity.

R.C

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Soavoanio-SAVA:
Mitokona indray ny mpiasa ...

.............................................
Amnesty International: ...
Tokony hampanao ...

Efa tapitra ny fe-potoana
Nanomboka nandinika ny ...

............................................
Fetison Andrianirina - TIM
Niravona ny hevitra tsy mitovy

Fetin’ny mpifankatia
Hampiara-peo i Poopy, Bodo, ...

.............................................
Sariitatra sy sary an-gazety
Manana ny anjara toerany ...

Mpirahalahy niady
Notsatotsatohany antsy ilay ...

.............................................
Mpisandoka asan’ny Omda
Nidoboka eny Antanimora izy ...

Tompondaka “Cross Country”
Nahena ny halavarian-dàlana

.............................................
Kitra - «Inter-sections»
Ekipa 18 no efa nisoratra ...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
1918228
visiteur