Anio, 10-09-2010 l Laharana : 3765
 
 
Politika Version imprimable Suggérer par mail

Efa tapitra ny fe-potoana

Nanomboka nandinika ny valintenin’ireo firehana efatra ny GIC

Efa tapitra ny fe-potoana nomen’ireo mpanelanelana avy amin’ny GIC ny firehana efatra hanomezana valinteny momba ilay sosokevitra naterin’Ing. Jean Ping tamin’ny 22 janoary. Hatramin’ny anio aloha dia tsy mbola nandrenesam-peo momba ny fahitany ny valintenin’ireo ankolafy tsirairay ry zareo GIC. Araka ny fantatra, dia nivory avy hatrany nandinika ireo sosokevitra ry zareo GIC, ka omaly ihany dia efa nisy ny fihaonana nataon’izy ireo tany Addis-Abeba. Tsy mbola misy mahalala ny tohin’ny tantara ary tsy mbola misy mahalala ny fisian’io fihaonana nanomboka omaly io ny firehana efatra. Ing. Emmanuel Rakotovahiny, mpitarika ny ankolafy Zafy Albert, aza dia nilaza fa amin’ny 15 febroary izao no reny fa hivory handinika ireo valinteny ny GIC. “Mbola resaka mandeha fotsiny io fa tsy mbola nisy nanamafy”, hoy izy.
“Miandry izay ho fanapahan-kevitry ny GIC ny firehana efatra. Tsy azo lavina ny hilatsahan’ny sazy. Mety ho terena ihany koa isika hanaraka ny fifanarahana tany Maputo sy Addis-Abeba”, hoy ity mpitarika ny delegasiona avy amin’ny ankolafy Zafy Albert ity. Nambarany fa sazy mety hihatra ny tsy fahazoan’ireo tomponandraikitra rehetra “Visa” mankany ivelany intsony sy ny tsy fahafahantsika mamoaka entana any ivelany koa.
Ny Tahiry R.

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Zotra 119
Mitentina Ar 1 miliara 500 ...

.............................................
Fitsaboana
Mety ho fanafody mahery ...

Mandritra ilay fihaonambem-
Hanao famoriam-bahoaka ...
............................................
Fihaonambem-pirenena...
Ho voatana amin’ny 17 ...

Toto Mwandjani sy Tirike
Miara-mitety faritra any ...

.............................................
Vonjy Razafitsifa
Hanao « Vaky bantsilana » ...

Manjakaray
Trano 7 nirehitra...

.............................................
Disadisam-piarahamonina
Novonoina ho faty ilay ...

Tsipy kanetibe –
Handray anjara avokoa ireo ...

.............................................
Orinasa Naoxime...
Nomeny hasina ny « Journalist

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3242457
visiteur