Fetison Andrianirina - TIMNiravona ny hevitra tsy mitovy Fandravonana ny hevitra tsy nitovy fa tsy fampihavanana akory, araka ny fanazavana nomen’Ing Fetison Rakoto Andrianirina, no ilazana ny dinika teo aminy sy ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko TIM, omaly. Araka ny fanazavana nomen’ity farany ihany, dia mitohy indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny ankolafy Marc Ravalomanana nanomboka omaly raha niato nandritra ny andro vitsivitsy izany teo ho ao. Miara-mitady ny stratejia vaovao hanohizana ny tolona izy ireo eo am-piandrasana ny sazy avy amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena, taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana farany napetraky ny GIC. Araka ny nambaran’Ing Fetison Rakoto Andrianirina ihany, dia ny fanomanany ilay loabary an-dasy notanterahina teny amin’ny “Carlton” tamin’ny herinandro lasa no niteraka izay tsy fitovian-kevitra izay. Samy nahalala ny mpanara-baovao fa tsy tonga teny namaly ny antsony ireo olon’ny TIM niaraka taminy nandritra ny fivoriana nanasana ny ankolafy Marc Ravalomanana, na ny teto Madagasikara na ny tany ivelany. Nomarihin’io filohan’ny delegasionan’ny ankolafy Marc Ravalomanana io anefa fa tsy noresahina nandritra ny fivoriana omaly ny hoe hasiana tohiny sa hajanona hatreo ny fotokevitra ijoroan’ny loabary an-dasy? V.R.
|