Mpirahalahy niadyNotsatotsatohany antsy ilay zandriny, voa teo amin’ny tendany sy ny lohanyMbola miady amin’ny fahafatesana any amin’ny hopitaly ilay tovolahy hatramin’izao noho ny vono nahazo azy. Nahitàna tsatok’antsy avokoa teo amin’ny tendany, ny hatony, ny foto-tsofiny ary ny lohan’ilay tovolahy, izay vao valo ambinifolo taona monja. Nijininika ny rà saingy mbola niezaka nanavotra aina nitsoaka ihany ity tovolahy zandriny. Ilay zokiny kosa nandositra taorian’izany ka tsy mbola hita ny nanjavonany hatramin’izao. Tany amin’ny tanànan’Anandrobe-Bejofo any Ambatondrazaka no nitrangan’izany afakomaly maraina. Mbola miady amin’ny fahafatesana any amin’ny hopitaly moa io tovolahy naratra io hatramin’izao. Araka ny fanazavana azo, dia niaraka tany an-tsaha izy sy ilay zokiny, 20 taona, tamin’io. Asa anefa izay zava-nitranga fa dia raikitra ny ady ary tonga hatramin’ny fifamonoana mihitsy. Efa matetika Raha iny tsy nanampo na inona na inona iny ity zandriny no avy hatrany dia nasian’ilay zokiny tamin’ny antsy, izay efa novatsiany tany aminy tany. Tsy afaka niaro tena akory ilay zandriny tamin’izany fa sendra ny tampoka. Raha ny fanazavana azo ihany mantsy dia efa matetika izy roalahy ireo no miady toy izao. Efa mandeha ny fikarohana ilay nahavanon-doza amin’izao fotoana izao. R.C/ Janus R
|