Mpisandoka asan’ny Omda Nidoboka eny Antanimora izy roa lahy Omaly no nandalo mpitsara mpanao famotorana ireo bandy roa lahy mpisandoka ho mpiasan’ny Omda. Nidoboka avy hatrany eny Antanimora izy ireo, ka rahampitso indray no hiatrika famotorana lalina kokoa. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny Omda, dia efa tany amin’ny volana aogositra 2008 tany ho any ry zalahy ireo no efa nanao ny asa ratsiny. Misy dimy lahy izy ireo no mpiaraka araka ny voalaza ary manofa fiara mihitsy hoentiny manatanteraka ny asany. Mitaky vola be amin’ireo mpivarotra tratrany mivarotra kapila piraty ary mandrahona sy manao ramatahora. Mpiasa tamin’ny trano mpamokatra filma malaza izy ireo teo aloha, ary nokaramaina nanara-maso ny vokatr’izy ireo rehefa mamoaka kapila nefa izao no niafarany. Nahita tsirony tamin’ny fanenjehana ireo mpanao piraty angamba ka nanita-kevitra taty aoriana na dia efa tsy niasa tao intsony aza. Amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavan’ilay mpamily, izay lasa vavolombelona amin’ity raharaha ity tamin’ireo mpiasan’ny Omda fa mahatratra hatrany amin’ny roa tapitrisa no alainy amin’ny mpivarotra iray. Tamin’ny volana desambra teo no tena nahazo vola ry zalahy ireo araka ny fanazavana ihany satria betsaka ny olona tratrany. “Mampiasa karatra Omda izy ireo ary milaza fa mpiasan’ny Omda, ka manamaimbo ny asanay”, hoy ny mpiasa iray ao amin’ny Omda. Maro be ny olona nametraka fitoriana amin’ny afitsok’izy ireo tany Moramanga araka ny vaovao azo. Io fitoriana io no nahatonga ny Omda nametraka fitarainana tany amin’ny mpitandro filaminanana, ka izao niafara amin’ny fisamborana izao. Volaza anefa fa tsy toerana iray no hanatanterahan’izy ireo ny asany fa manerana ny Nosy. Efa-dahy izay izao no tratra fa mbola misy iray miriaria any ny iray ka mety hisy indray ny fisamborana ato ho ato. Fy
|