Amnesty International: zon’olombelonaTokony hampanao famotorana ny HATRaha samy nifanilaka ny andaniny sy ny ankilany dia namoaka tatitra ny Amnesty International fa nisy ny tsy fanajana ny zon’olombelona teto Madagasikara nanomboka ny desambra 2008 no mankaty. Tokony hampanao famotorana mikasika ireo endrika tsy fanajana ny zon’olombelona nitranga teto ny HAT, tsy tokony havela amin’izao ireny fa hisy ny fanasaziana, araka ny tolokevitry ny Amnesty International ihany. Samy nahitana tsy fanajana ny zon’olombelona, na tamin’ny fitondran-dRavalomanana, na tamin’ny fitondran’ny HAT, hoy ihany ny tatitry ny Amnesty International nivoaka tamin’ity volana febroary 2010 ity. Ny volana jona 2009 dia nisy delegasiona avy amin’ity fikambanana ity namita iraka teto Madagasikara, nanao fanadihadiana sy nihaino ny fijoroana vavolombelona samihafa nataon’olona niharan’ny tsy rariny. Nifampiresaka sy niady hevitra ihany koa tamin’ny ankolafin’olona sy tomponandraikitra eto amin’ny firenena. Anisan’ny niresahan’izy ireo ny avy ao amin’ny TIM, ny avy amin’ ny HAT… Nisy ny tsy fanajana ny zon’olombelona raha vao nanomboka ny krizy ny desambra 2008 ary nandritra ny krizy, araka ny tatitra ihany, izay lava dia lava tokoa ary amin’ny teny anglisy. Voatanisa ao ireo endrika fisamborana sy fanagadrana tsy ara-dalàna, voateny ao koa ny nanjo ireo mpanao gazety, ny endrika herisetra. Lucien R.
|