Sariitatra sy sary an-gazetyManana ny anjara toerany aty Afrika i MadagasikaraSariitatra. Izany no andikana ny « caricature » hatramin’izao. Ao anaty gazety no tena ahitana azy io. Miroborobo fatratra tokoa ankehitriny izy ity satria samy manana ny mpanao sariitatrany avokoa ny gazety rehetra. Tsy mahagaga araka izany raha voarakitra ao anaty boky manokana momba ny sariitatra aty Afrika ny sariitatra malagasy. « La caricature et le dessin de presse en Afrique ». Ny sariitatra sy ny sary an-gazety aty Afrika. Izany no lohatenin’ny boky iray navoakan’ny trano famoaham-boky frantsay L’Harmattan miaraka amin’ny Africultures. Manana anjara toerana ao anatin’io boky io ny sariitatra sy ny sary an-gazety malagasy. Lahatsoratra telo no mikasika an’i Madagasikara. Anisan’ny voaresaka ao ary nanaovana lahatsoratra mitokana mihitsy i Pov, mpanao sariitatra tao amin’ny « Midi Madagasikara » izay lasa nila ravinahitra any Maorisy. « Ara-karama dia tsaratsara kokoa aty Maorisy noho ny any Madagasikara. Etsy andaniny koa, tsy mitovy ny zavatra mety maha-tohina ny Maorisianina sy ny Malagasy. Noho izany, tsy mitovy ny lohahevitra azo atao sary », hoy i Pov raha nanontanian’i Christophe Cassiau-Haurie izy ao anatin’ilay boky. Anisan’ny mpanao sariitatra voasingana manokana koa Ranarivelo Elisé, mpanao sariitatra efa an-taonany maro ao amin’ny « L’Express de Madagascar ». Fa ny lahatsoratra tena lehibe indrindra momba an’i Madagasikara ao anatin’ity boky ity dia ny tantaran’ny sariitatra sy ny sary an-gazety eto Madagasikara. « Dessiner tout haut ce que l’on chuchote tout bas ». Soratana avo izay bitsibitsihana ambany, izay no lohateny nampitondrain’ny mpanoratra Randy Donny ny lahatsoratra izay mahasarona ny tantaran’ny sariitatra sy ny sary an-gazety eto Madagasikara hatrany am-piandohana mandrak’ankehitriny. Fantatra ao anatin’izany fa ny gazety « Hehy » no mpisava lalana tamin’ny sary an-gazety teto Madagasikara ary Ramily kosa no mpisava lalana tamin’ny sariitatra, raha namoaka ny sanganasany tao amin’ny « Afrique-Asie » izy tany amin’ny taona 80 tany. Ho an’ireo liana dia azo atao ny manafatra ity boky ity ao amin’ny tranon-kala http://www.africultures.com Fy
|