Kitra - «Inter-sections»Ekipa 18 no efa nisoratra anaranaHifarana amin'ny zoma (12 ora antoandro) izao ny fisoratana anarana ho an'ireo ekipa handray anjara amin'ny fiadiana ny «inter-sections» eto Analamanga, eo amin'ny taranja baolina kitra. Hatramin'ny omaly dia ekipa 18 no efa nanao ny fisoratana anarana avy amin'ireo Seksiôna 6 (Renivohitra, Atsimondrano,Ambohidratrimo, Atsinanana, Sabotsy Namehana, Ankadikely Ilafy) tetsy amin'ny komity ad'hoc, izay hikarakara ny fifaninanana. Marihina fa hakana ekipa 2 hanampy ireo 8 efa misy hifaninana amin'ny fiadiana ny Tompondakan'Analamanga D1 amin'ity taom-pilalaovana 2010 ity. Raha ho an'ny seksiôna avy eto amin'ny Renivohitra dia ahitana ny SOE, Gastro Pizza, SCT, HYBRIDE ary ny ASAV. Any Atsimondrano indray dia ahitana ny HEZAMI, 3FB, Schalk, ASKA sy ny AIGLE. Ho an'Ambohidratrimo kosa dia ny JSA sy ny FSF no hisolo tena azy. Ny USAVIA kosa no avy eny Sabotsy Namehana ary ny TFC sy ny 3FA no avy eny Ankadikely Ilafy, ny FC PISCINE sy ny 4FA ary ny AKAMASOA ihany koa no efa nisoratra anarana ho an'ny seksiôna Atsinanana. Rabenaivo
|