Tanindrazana ! Na izany ny mpandraharaha na izany ny mpanao pôlitika, resaka isika samy isika ihany, mandrirotra avokoa ny tanindrazana. Ny zavatra mitranga eto amin’ny firenena, tato anatin’ny andro vitsivitsy izao, rahateo mampitodika any amin’ny tanindrazana. Tanindrazan’ny Malagasy i Madagasikara ka rariny raha sarotiny aminy izy. Dia izay no azo hanazavana ny fiomanan’ireo miaramila hiatrika ny zavatra miseho eo anatrehan’ny filazana ny mety hidiran’ny tafika vahiny. Indrindra indrindra fa voady nataon’izy ireo ny hoe “ho an’ny tanindrazana”. Fa manana ny heveriny ho fitiavana ny tanindrazana ihany koa ireo mpandraharaha manoloana ny fitobaky ny entana vahiny eto amintsika : ny fanomezana hasina ny vokatra eto an-toerana eo amin’ny fanjifana sy eo amin’ny varotra. Indrindra amin’izao fotoanan’ny fanalalahana sy ny fanatontoloana izao. Afaka mifaninana amin’ny vokatra hafa anie ny Vita Gasy. Eo amin’ny mpanao pôlitika indray kosa, raha ny fanazavana re tetsy Ankorondrano tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, tsy afa-misaraka amin’ny tanindrazana ny vahoaka. Miteny ho azy ireo rehetra ireo amin’izao hankalazantsika ny faha-50 taona nahazoan’i Madagasikara fahaleovantena izao. Ary ianao io mba ahoana raha mitaha amin’ireo rehetra ireo ? Samy isika ihany é ! Herivonjy RAJAONAH
|