 



| 1-2-3-4-5-6 : Mbola mitohy manala ireo mpivarotra amoron-dalana ny mpiasan’ny Kaominina kanefa raha vao lasa izy dia miverina indray ireo – Sao heverinao ho inona àry ireo! Entam-barotra nofonosina selôfana hiarovana azy amin’ny orana ihany ireo – Resaka orana ihany : aza mba sendra itony lavaka itony ihany raha sendra ka saron’ny ranobe. Maromaro indray izy ireny tato ho ato eto an-dRenivohitra – Mba mahavoa ihany ireo mpanao akanjo malagasy (T-shirt misy ny sarin’i Jean Aimé ity eto ity) kanefa dia voatsindrin’ny fripy sy ny entana sinoa hatrany. – Efa mivoatra ireo mpanao telefaonina antsisin-dalana fa efa mba mampiasa ordinatera koa. – Ny eny amin’ny sisiny ihany no tena misy mpivarotra ao amin’ilay tsena vao nosokafana eny Behoririka, ny any anatiny kosa mangadangadana. Aleon’ny mpivarotra miverina eny amoron-dalana ihany na dia hanao fanenjika amin’ny mpiasan’ny Kaominina aza. (Sary Nary R, Yvon Ram, Kelly R.) |
|