Amoron’i ManiaMihenjana ny tady eo amin’ny lehiben’ny faritra sy TGVResa-bola raha fintinina ny fototry ny olana eo amin’ny lehiben’ny faritra Amoron’i Mania Josoa Eugène Maminirina sy ny TGV any an-toerana. Ny TGV manakiana ny lehiben’ny faritra ho nampiasa ny ampahan’ilay vola 50 tapitrisa ariary natokana ho an’ny HIMO amin’ny zavatra hafa. Noho izany, heverin’ny TGV fa mety tsy ho vita araka ny novinavinaina ny asa. Notsiahivin’ny TGV fa ny anjara asa natokana ho azy ireo dia ny any Ambositra, sy ny distrika 3: Ambatofinandrahana sy Fandriana ary Manandriana izay mitotaly 25 tapitrisa ariary. Valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, tamin’ny alatsinainy hariva lasa teo kosa no nitondran’ny ben’ny tanàna fanazavana momba io ahiahy io. Toy ny isan-taona, hoy izy, dia mahazo vola avy amin’ny fanjakana foibe ny faritra rehefa manao HIMO, mba hamonjena indrindra ireo vahoaka tena sahirana, hiatrehan’izy ireo ny maitso ahitra. Ho amin’ity taona 2010 ity dia vola 50 tapitrisa ariary no nomen’ny fanjakana, hoy ihany ny lehiben’ny faritra. Niantso “inspecteur d’Etat” sy “Bianco” hijery akaiky io vola io ny lehiben’ny faritra. Mikasika ny tolo-kevitra nataon’ny TGV ny hanomezana azy ny vola 25 tapitrisa ariary mialoha ny hanatanterahana ny asa dia hentitra ny lehiben’ny tanàna fa tsy azo atao an’izany ny volama-panjakana. Anastase
|