Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
Kolontsaina Version imprimable Suggérer par mail

Literatiora

Hivoaka tsy ho ela ny diksionera misy teny 7 000

Taon-jobily eo amin’ny lafin’ny soratra sy literatiora ity taona 2010 ity.
Taon-jobily maro sosona araka ny efa namnarantsika ity taona 2010 ity eo amin’ny lafin’ny soratra satria dia feno 175 taona ny nandikana amin’ny fiteny malagasy ny Baiboly izay nivoaka ny taona 1835. Anatin’izay fanamarihana izany dia hisy ihany koa ny famoahana diksionera ahitàna teny 7 000 any ho any izay nosinganina manokana ka ahitàna teny mikasika ny tontolo ara-tsiansa, ara-pitsarana, ara-pambolena, ara-ekonomika, serasera…Raha ny nambaran’Atoa Rahaingoson Henri, mpikambana ao amin’ny Havatsa Upem, dia ho “dingana lehibe eo amin’ny fametrahana ny “fanagasiana” izay efa nanomboka tamin’ny famoahana ny “encyclopédie” malagasy voalohany ny taona 1937, araka ny namoahan’ny Pasitora Ravelojaona azy nandritry ny fanjanahan-tany. Raha mbola hiverenana ihany moa ara-tantara dia efa tany amin’ny taona 1603 no efa nisy ny famoahana ny diskionera voalohany izay navoakan’ilay tera-tany hollandais, Houtman, izay nanaporofo fa avy amin’ny fiteny “maleziana” no nipoiran’ny fiteny malagasy. Nanomboka tamin’izay dia nisesisesy ny famoahana karazana diksionera sy firaketana toy ny an’ilay mpikaroka Etienne de Flacourt, izay namoaka ny “Dictionnaire de la langue de Madagascar” ny taona 1653, ny “Angilisy-malagasy” an’ilay misionera anglisy David Jones ny taona 1823, ny “Frantsay-malagasy” an’ny mompera malzac st Abinal ny taona 1853. Ny sangansa nivoaka farany izao dia ny “Rakibolana Rakipahalalana” ny taona 2005 izay novolavolain’ny Akademia Malagasy ka nahafahana nanisa teny 35 000.
R.S

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229495
visiteur