politika

Maputo


Nitohy indray ny dinika rehefa niato ora maromaro


Niverina an-databatra boribory indray ny mpandray anjara rehefa niato nandritra ny ora maromaro ny dinika.
Andro fahatelon’ny fivoriana tany Maputo, omaly. Niverina niady hevitra an-databatra boribory, nanomboka omaly tamin’ny 5 ora hariva ( ora any an-toerana ) indray ny 4 tonta, nelanelanin’ny GIC rehefa niato nanomboka tamin’ny alakamisy tamin’ny 9 ora alina izany. Raha tsiahivina dia nihenjan-droa ny tady satria andaniny Ravalomanana Marc nilaza ny tokony hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Noho izany mbola Filoham-pirenena izy. Ankilany kosa i Andry Rajoelina nitazona ny heviny fa efa mipetraka ny Andrimpanjakana aty an-tanindrazana. Tsy ekena, hoy ny Filohan’ny F.A.T. ny hiverenan’ny Filoha teo aloha, na amin’ny maha lehiben’ny Andrimpanjakana mpanatanteraka azy na amin’ny maha olon-tsotra azy. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia tsy nanaiky nanohy ny adihevitra i Andry Rajoelina, tamin’ny Alakamisy lasa teo, taorian’ny naneken’i amiraly Didier Ratsiraka sy Zafy Albert ny hanome famotsoran-keloka faobe an’i Marc Ravalomanana. 
Mpahay lalàna!
Omaly hariva kosa dia nanaiky niverina an-databatra boribory i Andry Rajoelina ary nitohy ny dinika. Nifandimby noraisin’ny mpanelanelana mantsy i Andry Rajoelina sy Zafy Albert, nanomboka omaly tamin’ny 4 ora. Azo antoka fa fandresen-dahatra hiverenana an-databatra boribory no vontoatin’ny resaka. Taorian’izay dia nitohy ny fihaonana. Anisan’ny sosokevitra naroso ny tsy tokony hiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana ato ho ato ho fitandroana ny ainy. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nanaiky ny hampihemotra ny fotoana hiverenany an-tanindrazana  araka io tolo-kevitra io ny Filoha teo aloha. Araka ny loharanom-baovao etsy ambony ihany dia nisy fihaonana nandritra ny 20 minitra teo amin’ny mpahay lalàna nentin’ny delegasiôna ka Randrianarivelo Disiré ny avy amin-dRavalomanana Marc ary Norbert Lala Ratsirahonana kosa ny avy amin’ny tetezamita.
V.R.