| kolontsaina |
Erick Manana / OlympiaArtista maro no hasainy hanotrona azyTaorian’ny tarika Mahaleo (2007) sy ry Jaojoby (2008). Dia anjaran’i Erick Manana indray izao ny hiakatra ny lapaben’ny Olympia any Paris ny sabotsy 07 novambra izao manomboka amin’ny 8 ora alina. Mpanakanto mpiangaly ny vakoka malagasy efa fanta-daza manerana ny firenena maro i Erick Manana, ka izay no nahasarika ny Kintana Production hampakatra azy irery ao amin’ny Olympia, handimby ireo tarika voalaza etsy ambony. Efa niara-niasa ela rahateo izy ireo ka mahafantatra tsara ny fomba fiasa sy ny fankafizan’ny maro an’i Erick Manana ny mpikarakara. Voalaza ihany koa fa tsy handeha irery hamakivaky ny seho manontolo ny lehilahy fa hanasa artista maro hanotrona azy ao an-toerana. Izany hoe ireo artista namany rehetra efa nampiara-peo taminy hatramin’ny nivoizany ny hiran-dRazilinah ka hatramin’izao, dia hasainy ao avokoa. Manodidina ny 37 Euros ka hatrany amin’ny 57 Euros, izany hoe eo amin’ny 1 hetsy Ariary ka hatrany amin’ny 6 alina sy 1 hetsy Ariary ny vidim-pidirana amin’ity seho goavana hotanterahin’i Erick Manana ity. Henjankenjana ihany izany vidim-pidirana izany saingy ny fahafinaretan’ny saina amam-panahy no tadiavina amin’ireny toerana ireny sy ny artista hanafana ao anatiny. Raha mitaha amin’ny fampisehoana nataon’ireo tarika taloha dia azo ambara fa nisy fiakarany kely ihany izy ity. Fahasahiana Raha ampitahaina amin’ireo tarika roa voalaza etsy ambony, dia somary nangingina taty amintsika ny fampahafantarana ity fiakarana an-tsehatr’i Erick Manana ao amin’ny Olympia ity. Asa na noho isika variana miatrika ny krizy sy ny fiainana andavanandro fa tsy nalaza izy io raha miohatra tamin’ireo tarika roa voalohany. Tamin’ny tarika Mahaleo hiaka-tsehatra tao tamin’ny 2007 anefa dia nanakoako hatraty amintsika ny fivarotana ny tapakila sy ny fampahafantarana ny seho atolony, herintaona mialoha. Na izany aza, azo antoka fa tsy hampananosarotra ny mpikarakara ny hameno ny toerana 2000 eo ho eo ao amin’io tranoben’ny Olympia io. Maro rahateo ny Malagasy monina any Frantsa ao sady efa be mpanohana sy mpankafy hatramin’izay i Erick Manana any an-toerana. |