fanatanjahantena

Basket- Fahoriana


Nodimandry i Nambinina


Hatairana ny an’ny mpankafy basket raha nandre fa nindaosin’ny fahafatesana tampoka teo amin’ny faha 21 taonany i Nambinina Ratsimizao, mpilalaon’ny Cosfa, zanak’i Olivier Ratsimizao na « Raliva », mpanazatra ny ekipan’ny Cosfa, izay vao avy nandrombaka ny amboaran’ny tompondakam-pirenena farany teo ary anisan’ny mpilalao fahiny tao anatin’ny ekipam-pirenena malagasy. Nitaraina ho tsy dia salama i Nambinina, ary izay no nahitan’ny rainy azy farany fa vatana mangatsiaka sisa no novantaniny tao an-tranony, teny 67 Ha Avaratra Atsinanana. Araka ny fanazavana azo, dia eo am-pikarakarana ny fanadinana hidirana eny amin’ny Oniversiten’Ankatso i Nambinina, satria vao afaka bakalôreà tamin’ity taona ity izy. Izahay eto amin’ny Gazetiko dia mirary fiononana ho an’ny fianakaviany.
a.r