Cercle Mess Fiadanana Nisy nametraka baomba, nitsoaka ilay nitondra azy
Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana mikasika ity resaka baomba ity hatramin'izao. Na dia efa somary nangingina aza tato ho ato ity resaka baomba ity dia fantatra fa nisy indray ny fahitàna baomba teny amin'iny faritr'i Fiadanana iny ny Talata teo. Araka ny vaovao voaray avy amin'ny mpitandro ny filaminana dia natao tanaty kitapo izy ity ary napetraka tao amin'ny « C ercle Mess » eny Fiadanana, izay an'ny Miaramila. Tovolahy no nametraka izany, izay tsy tratra akory satria napetrany fotsiny ilay kitapo dia iny izy no tsy hita. Nanaitra ireo miaramila tao anefa ny fahitàna ilay kitapo ka nosavaina kanjo inona tokoa fa ilay karazana baomba vita tanana toy ny fahita teo aloha ireny no tao anatiny, izay tsy mbola nipoaka. Raha ny fanazavàna ihany dia tsy mbola fantatra mazava na nokasaina hapoaka tao izy ity na karazan'ny nentina nampihorohoroana fotsiny na koa misy antony hafa. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana moa ny mpitandro ny filamina amin'izao. Nisy koa ny voasambotra Fa mbola resaka baomba ihany dia fantatra fa mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro ny filaminana mikasika ireny fametrahana sy fanapoahana baomba teto ireny. Miaramila iray indray mantsy no voasambotra ny voalohandohan'ity volana ity, izay voarohirohy tamin'ny fanafihana ny Viva tetsy Ambodivona. Voalaza fa nitsoaka izy ity taorian'iny raharaha iny ka izao vao tratra ary natolotra ny Fitsaràna avy hatrany ka efa notanana any am-ponja. Raha ny fanazavàna azo avy amin'ny mpitandro ny filaminana ihany dia mbola misy ny olona karohina hatramin'izao. R.C
|