vaovao misongadina 18-02-08

Vokatry ny rivo-doza Ivan

Olona 9 nianjeran’ny trano, an-jatony ny traboina

ImageNamela takaitra ihany koa ny rivo-doza Ivan tany amin’iny faritra atsinanan’ny nosy iny. Araka ny vaovao re tao amin’ny radiom-pirenena omaly tolakandro dia nisy hotely iray nianjera tany Sainte Marie ka olona sivy no voatsindry tao. Niezaka nanontany ny tany an-toerana ihany moa izahay kanefa mananosarotra ny fifandraisana ka tsy nisy ny fanampim-baovao voaray mikasika ity loza ity. Tsy mbola misy ihany koa ny tarehimarika voaray mikasika ny fahasimbana rehetra naterak’ity rivo-doza ity satria mbola teo am-panangonana ny tatitra rehetra mikasika izany ny tomponandraikitra. Niakatra avokoa ny renirano tany amin’ireo toerana nandalovan’ity rivo-doza ity toa an’i Mananara, Marolambo, Brickaville; nahatratra an-jatony ireo olona voatery nandao ny fonenany ka dia zary tsy manan-kialofana, ary nanano sarotra ny famatsiana noho ny fahatapahan’ny lalana.
Raha ny teto amin’ny faritry ny renivohitra no hasian-teny dia nijojo ny orana omaly tontolo. Niakatra avokoa ny rano tamin’ny faritra maro. Raha nanontany ny teny amin’ny sampana mpamonjy voina izahay dia tsy nisy loatra ny fiantraikan’ity rivo-doza ity teto an-drenivohitra. Hatramin’ny fotoana anoratanay dia mbola tsy nisy ny trano na hazo nianjera na koa loza hafa teo anivon’ity sampana ity.

R.C