Manorohanta Dominique Cécile:“Tokony ho tonga eny Ivato izay te-haneho hevitra”Roa andro mialohan’ny hanombohan’ny teny ifampierana, eny amin’ny “Centre de Conférence Internationale” Ivato dia nanao antsoavo amin’ny antoko sy fikambanana ara-pôlitika, fiaraha-monim-pirenena tsy an-kanavaka ho tonga eny Ivato Rtoa Praiminisitra lefitra misahana ny Atitany, Manorohanta Dominique Cécile, manomboka rahampitso. Sehatra ahafahana maneho hevitra eny ka tokony ho tonga eny Ivato avokoa izay rehetra manan-kambara, hoy izy mba tsy ho any amin’ny toeran-kafa indray no hanakianana ny fanapahan-kevitra niarahan’ny besinimaro nanapaka. Marihina fa nandefasana fanasana avokoa ireo antoko pôlitika fantatra adiresy mazava sy fikambanana ara-politika ary fiaraha-monim-pirenena 40 eo ho eo avy. Notsiahiviny fa dosie fototra iaingan’ny adihevitra ny volavolan-dalàna momba ny lalam-pifidianana sy ny volavolan-lalàna hifehy ny CENI fa tsy arakaraky ny fahadisoan-kevitra aparitaky ny sasany hoe efa misy zavatra tapaka mialoha fa fombafomba fotsiny ny fivoriana. Hamaky bantsilana! Ireo olona mieritreritra izany indrindra, hoy Rtoa Praiminisitra lefitra no tokony ho tonga eny Ivato hanamarina ny ahiahiny ary hamaky bantsilana raha misy marina izany na tsia. Nomarihiny fa anisan’ny hodinihina mandritra io roa andro io ny daty tokony hanatanterahana ny fifidianana sy ny olona tokony ho mpikambana ao amin’ny CENI sy izay ho mpikambana ao anatiny. Hatramin’izao mantsy, hoy izy dia resy lahatra ny minisiteran’ny Atitany fa mety hahavaha olana ny fanaovana fifidianana deopite satria ahafantarana hoe iza marina no to teny amin’ny vahoaka. Eo am-piandrasana izay fehin-kevitra horaisina aorian’ny teny ifampierena dia manohy ny asany ny minisiteran’ny Atitany, hoy Rtoa Manorohanta Cécile. Efa nahazo ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fanamboarana karapanondro maimaim-poana avokoa ny distrika rehetra eto Madagasikara. V.R.
|