Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
Samihafa Version imprimable Suggérer par mail

Raokandro malagasy nohatsaraina

Nampidirina ho isan'ny fanafody
ampiasain'ny hôpitalim-bahoaka

Hovatsiana fanafody raokandro malagasy nohatsaraina vokarin'ny Homeopharma sy ny IMRA manomboka izao ireny tobim-pahasalamana sy hôpitalim-bahoaka ireny.
Lasa ôfisialy amin'izay izao eto amintsika fa azo ampiasaina amin'ny fitsaboana koa ny raokandro malagasy nohatsaraina. Nampidirina ho isan'ny fanafody ampiasain'ny tobim-pahasalamana sy hôpitalim-bahoaka ireo fanafody nentim-paharazana nohatsaraina ireo, antsoina hoe « Remèdes Traditionnels Améliorés »(RTA). Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa mikasika izany vita sonia tamin'ny 29 jolay 2010 teo amin'ny Foibe famatsiana fanafody SALAMA, ny HOMEOPHARMA, ary ny IMRA (Institut Malgache de Recherches Appliquées). Nisy ny fivoriana fampahafantarana  sy fandrindrana mikasika izany niarahan'ny telo tonta, natao omaly teny amin'ny CNEAGR (Centre National de l'Eau, de l'Assainissement et du Génie Rurale) eny Nanisana. Hovatsiana fanafody raokandro malagasy nohatsaraina vokarin'ny Homeopharma sy ny IMRA manomboka izao ireny tobim-pahasalamana sy hôpitalim-bahoaka ireny.

Mirary  

Ny Foibe mpamatsy fanafody SALAMA no hanaparitaka ity fanafody malagasy nohatsaraina ity. Ny anton'ilay fifanarahana teo amin'ny telo tonta dia ahafahana manome fanafody tsara kalitao nefa amin'ny vidiny mora ho an'ireo marary. Fanafody vita avy amin'ny akora na ravinkazo avy eto an-toerana izy io ka samy mamokatra azy na ny Homeopharma, na ny IMRA. Efa misy fanafody mikasika izany ny karazan'aretina maro eto amintsika, toy ny gripa, kohaka, aretin-kibo...sns.
Nandray anjara tamin'izao fivoriana izao ny Médecin Chef sady Talen'ny hôpitaly (Centres Hospitaliers) miisa roapolo. Hampahafantarina azy ireo ny fisian'ity RTA ity sy ny fomba fampiasana azy.
Lucien 

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229307
visiteur