Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
Samihafa Version imprimable Suggérer par mail

Atoa Jean Giuliano Nicol Ramarovahiny

“Tsy hanaiky mora foana aho fa hitory ihany koa”

Nahita ny mangidy tany am-ponja nandritra ny 1 volana Atoa  Giuliano Nicol Ramarovahiny taorian’ny didy fampisamborana azy ary efa nivoaka ankehitriny. “Ny 16 jolay 2010, nanambara ny fitsarana fa tsy azo raisina ny fitoriana ahy, ambarako noho izany fa tsy misy ny porofo mazava, mifanipaka ny hevitry ny mpitory ahy sy ny mpisolovavany.” Tsy manaiky ny fanalam-baraka natao ahy aho, tsy hamela moramora  foana ny raharaha fa hitory an’Atoa Zaraniaina Christian”. Izany no nambaran’Atoa Ramarovahiny Giuliano Nicol Ramarovahiny nandritra ny valan-dresaka nataony tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny hotel Colbert omaly.

Sida

Mitohy ny fikarohana izay iarahany amin’ny JC Phytopharmacie mikasika ny fanafody miady amin’ny otrikaretina VIH Sida. Miditra eo amin’ny andiany faharoa na “phase II” izany fikarohana izany ankehitriny saingy mbola mila famatsiam-bola hatrany amin’ny 8 tapitrisa dolara, izay ilaina amin’ireo olona hanaovana andrana miisa 200. Tsy ampy fitaovana isika ka izay no tsy maintsy hanaovana ny andrana any Maorisy. Nanamafy anefa Atoa Giuliano Nicol Ramarovahiny fa tsy hivarotra velively ny fikarohany fa tsy maintsy mijanona ho an’ny Malagasy izany. Tsiahivina kely fa olona 7 no nanaovana fikarohana tamin’ny dingana voalohany, ary mbola misy dingana maromaro vao mety ho vita ny fikarohana ny fanafody miady amin’ny otrikaretina VIH Sida.
Nath

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229401
visiteur