Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
Kolontsaina Version imprimable Suggérer par mail

« Dzaomalaza et le saphir bleu »

Nalefa voalohany omaly tetsy Analakely 

 Masy lalaovin’i Onja Tinondia, Evah kosa ho an’Irina Raveloson, Revola velomin’i Ainasoa Synthia ary Dzaomalaza  kosa ho an’i Michel Gormany. Ireo no mpilalao fofotra amin’ilay horonantsary novokarin’ny UNICEF miaraka amin’ny Digital Development Communication ao amin’i «Dzaomalaza et le saphir bleu»  izay nalefa voalohany omaly tetsy amin’ny Foibe Ara-tsaina Albert Camus Analakely. Tohin’ilay horonantsary voalohany hoe «Dzaomalaza et le boutre brûlé » izy ity, saingy nolalaovina tany amin’ny faritra atsimon’ny nosy.  Horonantsary mampahafantatra ny zava-misy any sy ny olana atrehin’ny tanora kanefa mampieritreritra  azy amin’ny fomba hahombiazana eo amin’ny fiainana. «Fitaovana iray hanentanana ny tanora hahalala  ny zony  sy  hitaky ny fampiharana izany  ity horonantsary ity kanefa mitaona azy ireo ihany koa  handray andraikitra eo amin’ny fiainana manoloana ny zavatra sarotra  mahazo ny tanora ! »  hoy indrindra Atoa Bruno Maes, masoivohon’ny UNICEF eto amintsika nandritra ny valandresaka tetsy Andraharo niarahana tamin’ireo artista nilalao ny tantara.

FIFANAKALOZAN-KEVITRA

 Tany amin’ny tapany avaratry ny nosy no nolalaovina ny horonantsary voalohany «Dzaomalaza et le boutre brûlé» : mitantara ny  fiainan’i Nirina sy Vola mpianatra ao amin’ny Lycée Nosy Be naniry hahazo finday avy amin’i Dzaomalaza izay mpanao raharaha maizimaizina  izy io. Tsy ampoizina ny «vidin’ilay finday». Vehivavy telo – Masy, Evah, Revola – kosa no mandrirotra an’i Dzaomalaza ao amin’ny horonantsary «Dzaomalaza et le saphir bleu» mba ho tafita eo amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny safira. Araka ny fanazavana nomena omaly teny Andraharo, aorianan’ny fandefasana ny horonantsary dia hisy ny dinika fifanakalozan-kevitra eo amin’ny tanora. Kasaina halefa any amin’ireo faritra 22 amin’ny alalan’ny Alliance Française mantsy ny tantaran’i Dzaomalaza andiany faharoa ity.
H.R.

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229383
visiteur