Gradins Mahamasina Misy olona 5000 mpigorobaka ?
Efa misy andian’olona mpanao bizina amin’ny fampidirana olona fotsiny eo Mahamasina. Raha 24.000 no isan’ny toerana ara-dalàna (tsy ipetrahana ireo totohatra) ahafahan’ireo mpijery baolina mipetraka eny amin’ny gradins Mahamasina dia ny 19.000 eo ihany no tena mandoa fidirana ara-dalàna. Avy aiza ary amin’ny fomba ahoana avokoa izany no hidiran’ireo olona maherin’ny 5000 tafiditra eny ireo? Isan’ny tena ahiana voalohany amin’ny fampidirana olona an-tsokosoko ireo mpanapaka na mpisava tapakila eo am-pidirana. Misy amin’izy ireo no avy dia mampiditra olona tsy manana tapakila akory(olona fantany na manolotra vola kely). Eo ihany koa ireo olona miditra amin’ny alalan’ny fitsambikinana vavahady na tamboho (any amin’ny Saint-Jo) amin’ny manodidina an’i Mahamasina iny, tsiahivina anefa fa ahitana mpitandro filaminana miambina ny toerana rehetra. Misy ihany koa ireo mpiandry ny Lapan’ny Fantanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina, izay mampiditra olona , toy ny nitranga nandritra ny Lalaon’ny Nosy ireny, tsy azo hadinoina ihany koa ny fisian’ireo mpanao tapakila hosoka maro, izay mety ho mampihoatra be ny isan’ny mpijery eny amin’ny gradins. Ny tena mety ho zava-doza amin’izy ity, raha mitohy, dia ho avy indray ny fanasaziana avy amin’ireo andry ambony amin’ny baolina kitra maneran-tany satria mihoatra ny amin’ny tokony ho izy ny isan’ny olona eny amin’ny gradins. Angamba rehefa tena hisy nomerao ity gradins ity vao mety tsy hisy intsony izany mpigorobaka izany. Rabenaivo
|