Anio, 10-09-2010 l Laharana : 3765
 
 
fanadihadiana Version imprimable Suggérer par mail

Firaisan’ny lahy samy lahy


Mijanona ho nofinofy ny mariazy ofisialy eto amintsika


Maro an’isa ary tsy  miafina intsony ireo sarimbavy tena izy eto amintsika. Maro amin’izy ireny no manao tokatrano maso fa tsy mbola nisy hetsika nitakiany hanatanterahana ny fanambadiany ho ofisialy.
Miteraka resabe any ivelany any ny fametrahana ny lalana mifehy ny fanambadian’ny olona mitovy taovam-pananahana, indrindra eo amin’ny lahy samy lahy. Misy ny Firenena manaiky azy io ary efa mahatratra 8 raha ny voalaza, ka isan’izany ny atsy Afrika atsimo izay akaiky antsika. Ry zareo Pays-Bas no lohalaharana tamin’ny fanekena izany ny taona 2001, nanaraka avy eo i Espagne sy Belgique ary efa misy maromaro ihany koa any Etazonia any. Na izany aza, dia mbola maro ny Firenena tsy manaiky ny fanambadian’izy ireny ofisialy, ka isan’izany isika Malagasy. Eto amintsika, dia ny lalana mifehy ny mariazy 2007-022 tamin’ny 20 aogositra 2007 no mametra fa voarara ny fanambadiana eo amin’ny olona mitovy fananahana. Araka ny fanazavan’ny mpitsara iray taminay, dia tsy misy sazy voasoratra mazava io, fa fandrarana, ka izay olona manatanteraka ny fanambadian’izy ireo ofisialy ara-panjakana no hiaran’ny sazy voalohany. Iarahan’ny rehetra mahalala anefa fa maro an’isa ary tsy  miafina intsony ireo sarimbavy tena izy eto amintsika. Maro amin’izy ireny no efa  manana tokatrano saingy mbola tsy nisy hatramin’izao hetsika notanterahan’izy ireo hiadiany izay fanambadiana ofisialy izay. Izany hoe mbola tokatrano maso hatramin’izao ny eto sady tsy mbola zakan’ny sain’ny maro an’isa ny mieritreritra izany. Ireo lehilahy mitady lehilahy aza moa hatramin’izao dia mbola miafinafina fa tsy misy sahy seho mivantana toa ireo olo-malaza any ivelany any. Ao amin’ny Baiboly aza, dia nanambara fa ny firaisan’ny samy lehilahy tao Sodoma no nanafoanan’Andriamanitra azy tamin’ny afo sy solifara. Efa nisy hatrany am-piandohana arak’izany ny karazan’olona miray amin’ny olona mitovy fananahana aminy raha io no jerena. Ka aretina sa …filàna hafa ?
Fy  

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Zotra 119
Mitentina Ar 1 miliara 500 ...

.............................................
Fitsaboana
Mety ho fanafody mahery ...

Mandritra ilay fihaonambem-
Hanao famoriam-bahoaka ...
............................................
Fihaonambem-pirenena...
Ho voatana amin’ny 17 ...

Toto Mwandjani sy Tirike
Miara-mitety faritra any ...

.............................................
Vonjy Razafitsifa
Hanao « Vaky bantsilana » ...

Manjakaray
Trano 7 nirehitra...

.............................................
Disadisam-piarahamonina
Novonoina ho faty ilay ...

Tsipy kanetibe –
Handray anjara avokoa ireo ...

.............................................
Orinasa Naoxime...
Nomeny hasina ny « Journalist

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3241800
visiteur