“Rwanda Mountain Gorilla Rally »Mifaninana i Mathieu sy TeddyNanomboka omaly any Rwanda ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny fiangaliana mamily fiarakodia ka tsy hifarana raha tsy rahampitso, nampitondraina ny lohateny hoe : “Rwanda Mountin Gorilla Rally”. Anisan’ny mifaninana i Mathieu Andrianjafy sy Teddy Rahamefy, hanamory Subaru Impreza WRX, noho ny zava-bitany nandritra ny “rallye”, izay nandraisany anjara tany Tanzania tamin’ny volana feborary 2009. Hisongadina ny tanora latsaky ny 24 taona fa izay mandrombaka ny laharana voalohany amin’ny R.M.G.R dia hampisalorana ny anarana ho “Pirelli Star Driver”. Ankoatra an’izany ny mpanamory mahazo ny laharana voalohany amin’izao fiadiana ny tompondaka afrikanina izao dia hanana herijika hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany “Rallyes WRC-Production 2010” . Mpifaninana 16 no handrasana any Rwanda ka laharana faha-2 no isaloran’ny solontenantsika. a.r
|